Sosialy

Fanondranana olona an-tsokosoko Ankizivavy miisa 8 indray no saika nalefa tany Dubai


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Tambazotra mahery vaika mpanondrana olona hiasa antsokosoko mankany Dubai no ravan’ny polisim-pirenena tamin’iny volana novambra nivalona teo iny.

 Indroa miantoana mihitsy no nitrangan’izany hatramin’izay nisokafan’ny sisin-tanin’i Madagasikara izay. Ny 16 novambra sy ny 27 novambra no nahatrarana azy ireo, nitondra vehivavy Malagasy mankany Oman - Jordanie, izay miala am-pitaka eto an-tanindrazana ary mody mankao Dubai aloha. Olona 15 izy ireo no indray voasambotra tao anatin’ireo 2 andro ireo. Ny 16 novambra dia vehivavy iray, 17 taona, saika haondrana an-tsokosoko hiasa any ivelany no tratra ary vehivavy iray miaraka aminy izay tompon’antoka amin’ny fandefasana azy. Olona miisa 13 kosa no tra-tehaka ny 27 novambra teo teny Ivato ka ny 6 dia mpanondrana an-tsokosoko ireo ankizivavy raha vehivavy saika handeha hiala eto an-tanindrazana kosa ny 7 ambiny. Misy amin’ireo ankizivavy saika haondrana no efa mahalala fa rehefa tonga ao Dubai izy ireo, dia mankany Oman, manao asa an-trano. Misy kosa ireo tsy mahalala izay miandry azy any an-toerana mihitsy. Miandahy miambavy ireo mpanondrana sy tompon’antoka amin’ity raharaha ity ary samy manana ny andraikiny avy izy ireo hoy ny tatitry ny polisim-pirenena. Misy amin’izy ireo no mpitady ankizivavy eto an-tanindrazana, misy ireo mampiantrano an’ireo ankizy avy any amin’ny faritra eto an-drenivohitra mialohan’ny handehanany, ao ireo mpikarakara taratasy hosoka isan-karazany … Andraisan’izy ireo vola mitentina 2 000 000 Ar isaky ny tovovavy iray tody soa aman-tsara any ivelany izany asa ratsy izany. Eto an-toerana koa anefa dia efa hitakiany vola 300 000 Ar hatramin’ny 1 000 000 Ar ireo ankizivavy. Fantatra fa avy any Fianarantsoa, Vohemar, Andapa ary Sambava ny ankamaroan’ireo ankizivavy saika hiasa any Oman an-tsokosoko ireto, izay eo anelanelan’ny 20 taona hatramin’ny 34 taona, ankoatra ilay 17 taona iray izay mbola tsy ampy taona. Efa naiditra am-ponja eny Antanimora moa ireto olona miisa 7 ireto, raha ny PAC kosa no mandray an-tanana ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovovavy kely vao 17 taona monja, hotronin’ireo olona mpanondrana azy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT