Sosialy

Fanomezana mampiady hevitra Nogiazana tao amin’ny ladoany dia izao vao napoitra ?


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Niteraka adihevitra ilay fanomezana avy amin’ny Samaritan’s purse, niainga avy amin’ny firenena maro toy ny avy any Amerika, izay matetika any am-piangonana no izarana azy, ary ao anatin’ny fotoanan’ny noely.

Ny olom-panjakana anefa no nizara izany tany Andaboly Toliara ny faran’ny herinandro teo, ka lohalaharana ny Filoha Rajoelina mivady. Ny fiaraha-miasa eo amin'ny ONG Samaritan's purse amin'ny alalan'ny TAK (Tetikasa Ankizy Krismasy), ary ny Minisiteran’ny fanabeazana no nahafahana nanatanteraka izany, hoy ny Fanjakana. “Ny henoko fotsiny dia tsy afaka nozaraina tamin’ny noely satria nisy nampikatso teny amin’ny ladoany. Isaky noely ny fizarana azy io isan-taona. Namana no anisany mpanangona an'ireny any Amerika ary fantatra tsara fa tetikasa ho an’ny ankizy any izy io. Gaga ny fiangonana raha tsy nahazo ny noely fa hoe tsy tonga ilay izy satria zaraina isaky ny mizara loka sekoly alahady izy io”, hoy ny fanamarihana. Mampalahelo dia lalaovina loatra ilay politika ka lasa ny “mamim-bahoaka” no mahazo laza, hoy hatrany ny fanamarihana. “Tsia tompoko! Laviko satria na ny tenako ary efa nahazo anio “box” io tamin’ny mbola kely ka izao hita ny marina. Nandrasana noely tsy tonga, hay izao vao nipoitra ilay izy. Ny ankizy any amerika sy fiangonana miandry hoe efa tonga ve ny sambo? Izao anefa vao nipoitra ilay izy. “Ny ao anatininy tsy kilalao ihany indraindray fa misy “dollar” vola kely, misy hafatra kely, misy zavatra maro, misy akanjo kely,.... Tena hoe izay voahangona isaky tokatrano any. Izay mahatonga an’iny boaty iny miloko krismasy (mena sy maitso) , ary misy anarana ilay fiangonana nanome azy, hoy ny fanehoan-kevitra sy fanamarihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT