Sosialy

Fanomezana ho an`ny traboina Mbola azo atokisana ve ny BNGRC ?


  • Alakamisy 25 Janoary 2018

Nirarakopana ny fanampiana ho an`i Madagasikara rehefa miditra amin`ny taom-pahavaratra dia matetika misy ny loza voajanahary hitranga amin`ny vahoaka. Ohatra tamin`ny fandalovan`ny AVA, maro ireo vondrona na fikambanana eto an-toerana na iraisam- pirenena nanome fanampiana natolotra ny BNGRC na biraom-pirenena misahana ny loza voajanahary izay rafitra hitantana ny fitsinjarana amin`ny traboina.

Ny zava-mitranga anefa dia toa tsy mipaka mivantana amin`ireo traboina ireo fanomezana. Raha tsiahivina, tsy tambo isaina ny raharaha nifamahofaho mahakasika izany toy ny fanomezan`ny mpanjakan`Dubai izay nokasaina atao lavanty na koa ireo vary natolotry  ny firenena japoney ho an`ny Malagasy izay natonta teny amin`ny tsenan`Anosibe. Ankoatra izay, tsy mahay mitantana sy mandrindra ny asa sahaniny ny BNGRC. Miandry ny fiavin`ny loza dia mandray fanampiam-bazaha sy mizara izay tonga eo aminy sisa no ataon`ity sampandraharaha ity. Tsabahin`ireo tompon`andraikitra eo anivon`ny prefekitiora sy ireo lehiben`ny faritra izay mazàna HVM ny fitantanan`ireny fanampiana ireny koa aza gaga raha miaina ao anaty ny gaboraraka isika. Ny herinandro lasa teo dia nanolotra fanaomezana ho an`ny mponina tany Mahajanga ny mpanjakan`Maraoka kanefa dia tsy nisy ny fankasitrahana ofisialy nataon`ny governemanta. Hita taratra aloha fa manaratsy endrika ny fanjakana malagasy amin`ny firenena vahiny izao fanodinkodinana entana fanampiana ho an`ny traboina izao. Dia sanatria ve lasa fitaovana politika ireny fanomezana ireny fa ankatoky ny fifidianana ? Ho avy amin`izay ny fihetsiketsehana maro hataon`ny filoham-pirenena mivady etsy sy eroa amina asa sosialy ka ireny entana fanampiana ireny ihany no hatolotra ho an`ireo traboina na ireo mponina eny amin`ireny faritra sahirana ireny. Mampiahiahy ny zavatra mitranga toy izao ka miteraka tsy fatokisana ny BNGRC ny tsy fanatanterahana ny teny nomena an`ireo mpanome fanomezana ho an`ny traboina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT