Sosialy

Fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa Hohatsaraina tsenan’i Besarety


  • Talata 30 Jolay 2019

Tonga nidina nijery ny zava-misy tetsy amin’ny tsenan’i Besarety Boriborintany fahatelo ny delegen’ny Boriborintany fahatelo Hery Razafintsalama sy ireo mpiara-miasa aminy, ny faran’ny herinandro teo.

 

Fanatsarana  ny tsena  no anton’ny fidinana na dia teo aza ireo ezaka maro efa nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny fanavaozana. Nisy  ny dinika sy ny soso-kevitra niarahana tamin’ireo mpivarotra ao amin’ny “Etale” rehetra sy ny kaominina, ny delegen’ny boriborintany, ny ekipa teknika, ny lehiben’ny tsena ary ny delegen’ny mpivarotra. Tapaka tamin’izany fa hamboarina ny elanelan’ny « Etale » handehanan’ny mpividy, izay hita fa tena be fotaka ka hovaina « dallage ». Eo koa ny fanatsarana ny tafo izay mandena ireo mpividy rehefa avy ny orana . Hisy ny fifanarahana eo amin’ny kaominina sy ny mpivarotra amin’ny fanatsarana. Nisy koa ny fivoriana niarahana tamin’ireo ekipa mpanao Rugby SCB na Sport Club de Besarety, amin’ny fanovana ny tokotany malalaky ny tsena hanjary ho rarivato raha mbola tanibe teo aloha.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT