Sosialy

Fanomezan-dra Ireo 20 % nanao hatramin’izay ihany no mazoto


  • Zoma 14 Jona 2019

Tsy mety mitombo mihitsy hatreto ireo mpanome ra manerana ny Nosy. Ireo 20 % efa mpanome manerana ny Nosy ihany mantsy no manome ka tsy mety manana tahiry isika.

 

 

 

 

 Ny 67 %  azo eto amin’ny faritra Analamanga anefa dia lany eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha avokoa, hoy ny profesora Rakoto Alson Olivat, omaly. Manodidina ny 120 isan’andro eo ny kitapo ilaina ka anisan’ny tena hampiasana azy  ireo marary mafy mila fandidiana, ireo mpiteraka saro-piterahana, ireo mararin’ny homamiadana, ireo olona arahi-maso akaiky ao amin’ny sampana fameloman’aina, izay nomarihiny fa samy misy eo anivon’ny hopitaly HJRA tantanany avokoa. Miantso ny rehetra ho avy hanome ra ny mpiara-belona araka izany izy. Nomarihiny manokana fa  antony hanoloan’ny olona roa ny kitapon-dra iray alaina ho an’ny marariny  ny fisian’ireo olona tsy tokony halaina ra noho ny antony maro samihafa. Hankalazaina anio zoma 14 jona ny andro maneran-tany ho an’ny mpanome ra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT