Ny olona no harena, hoy ny lahabolana am-bava any amin’ny faritany izay. Sarotra ho an’ny malagasy matetika, indrindra, ireo manan-katao sy manam-bola ny miheritreritra izany,
hany ka mahatonga azy ireo ho mandray fanapahan-kevitra toy ny tsy miteha-tany. Adinony fa nisy tantsaha mpamokatra maro, ohatra, nialohan’ny nahatongavan’io vary hoaniny eo am-biliany io. Mandeha ankehitriny ny fanindraindrana ity tambavy ireharehana ho fanafody sy fanefitry ny COVID 19 ity saingy ilay vokatra no tena misongadina fa ny sitraka ho an’ireo olona angady nananana sy vy nahitana mbola baraingo ho an’ny rehetra hatreto. Olombelona daholo anefa no nanao ny fikarohana ka hatramin’ny fanontana anaty tavoahangy. Hita ho lasa iainana hatrany amin’ny tontolon’ny asa maro mihitsy io tsy fanomezana lanja ny olombelona io na dia efa hitarainan’ireo sehatra samihafa, toy ny mpiaro ny zon’olombelona aza, ary hita ho lasa takon’ny fihetsiketsehana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.