Sosialy

FANOLOANA FANTSON-DRANO TRANAINY Efa tonga ireo teknisianin’ny kaompania TRG


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Efa eto an-toerana ireo teknisianin'ny kaompania TRG avy atsy Afrika Atsimo izay hiara-kiasa amin'ny JIRAMA amin'ny fanoloana ireo fantsona tranainy, anisan'ny mampananosarotra ny famatsiana rano fisotro madio amin'ny toerana maro eto Antananarivo.

 

 

 Ny sabotsy alina teo no natomboka ny fijerena ireo fantsona hosoloina amin'izao fanombohan’ny asa izao. Tsapa nandritra izany fa maro ireo fantson-drano any ambanin'ny fanorenana.Mba hahamora ny fanatanterahana ny asa sy tsy hanelingelenana ny fifamoivoizana, indrindra hanamaivanana ny fahatapahan'ny famatsiana rano dia mandritra ny alina hatrany no hanaovana ny fanoloana ireo fantsona ireo. Raha toa ka tsy maintsy hisy izany fanapahan-drano izany dia hanao ny ezaka rehetra ny JIRAMA sy ny TRG mba ho fohy ny faharetany.Fanombohana ihany ny eto Antananarivo fa tanjona ny hanitarana izao tetikasa fanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio izao, any amin'ny faritra.

Pati

 

                                                                                  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT