Zazavavikely 7 taona naolan’ny tovolahy 16 taona teny Anosibe ary namoy ny ainy ; Zazalahy 14 taona, nisy nanolana ary namoy ny ainy raha vao tonga tao amin’ny Centre Vonjy Befelatanana ; 2 vavy kely teny Ivato voalaza fa naolan’ny "Agent de sécurité"
; Tovovavy 16 taona naolan’ny rainy ary bevohokany ; zazavavikely 5 taona naolan’ny lehilahy 24 taona tany Mahajanga... Santionany amin’ireo trangana fanolanana re tato ho ato ireo, ampahany amin’ireo tranga maherin’ny 30 isam-bolana, voarain’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Tena mihamirongatra tokoa ity zava-mamoafady ity tato ho ato, ka mitrotra ny olona, mitaky ny hanavaozana ny lalàna manasazy ny mpanao herisetra ara-nofo, mba ho faran’izay henjana sy mafy. Raha ny lalàna misy ankehitriny, ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana andininy faha-332, dia heloka bevava misazy an-terivozona 5 hatramin'ny 20 taona ny fanolanana zaza latsaky ny 15 taona sy ny fanolanana vehivavy hita fa mitondra vohoka, na efa fantatr’ilay mpanolana fa bevohoka. Heloka tsotra misazy an-tranomaizina 5 hatramin'ny 10 taona kosa ny fanolanana ankoatra izay. Toa tsy ampy manafay an’ireo tsy mataho-tody anefa izany, ka mahatonga ny maro hitaky sazy toy ny fanagadrana mandrapahafaty, ohatra, na hatramin’ny fanafoanana ny filàna (castration chimique) sy ny fanesorana ny taovam-pananahana, mihitsy, raha ny hevitry ny sasany. Raha izao fahatezera’ny olona izao, dia ahiana ny mety hiverenan’ny fitsaram-bahoaka mahery vaika indray, raha misy mpanolana zaza tsy ampy taona tratran’ny fokonolona. Etsy an-daniny, tsy tokony ho hadinoina fa voafidin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina (UNFPA) ho masoivohon’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny miralenta Rtoa Mialy Rajoelina. Tafiditra indrindra ao anatin’izany ny herisetra ara-nofo toy izao. Raha ny tokony ho izy izany dia tsy afaka ny hangina fotsiny, manoloana izao tranga mamohehatra izao, ny vadin’ny filoham-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.