FANOLANAN-JAZA

Tafakatra 12 ny tranga teto Antananarivo tamin’ity volana ity


  • Zoma 16 Febroary 2024

Mirongatra ny fanolanan-jaza eto amintsika. Manomboka amin’ny 02 taona

ka hatramin’ny 16 taona ireo zaza lasibatra izay saika simba avokoa ny ankamaroany. Ho an’ny teto Antananarivo fotsiny raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana dia nahatratra 12 isa sahady tamin’ity volana Febroary vao misasaka ity raha tafakatra 133 isa izany nanerana ny Nosy tamin’ny volana Janoary lasa teo. Hohamafisina noho izany ny sazy omena ireo mpanolana raha araka ny fanazavan’ity Ministra ity hatrany no sady hohampiharina ihany koa ireo fepetra efa noraisina toy ny famorana ireo tsy mataho-tody mba ho famaizana azy…. Miantso ny Ray aman-dReny manan-janaka kely mba ho mailo hatrany noho izany ireo tompon’andraikitra ka tsy hahatokitoky na iza na iza hisorohana izay fanolanana mihamahazo vahana izay. Lohalaharana amin’izany ny dadabe, ny dadatoa, ny dadafara, ny dadakely sy ny Ray niteraka, ny mpanampy an-trano lehilahy raha toraka izay ihany ireo mpiara-monina hafahafa fihetsika…
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT