Sosialy

Fanokafana taom-pambolen-kazo tao Atsinanana Miisa 600.000 ireo zanakazo novolena


  • Talata 21 Janoary 2020

Toy ireo faritra rehetra dia nanokatra ny taom-pambolen-kazony koa ny fiadidiana ny minisiteran’ny tontolo iainana ao amin’ny faritra Atsinanana, tarihin’ny talem-paritra, Tezena Lionel Armando, ny alahady teo.

 

Tao Antetezana, kaominin’i Foulpointe, no notontosaina izany ka zanakazo miisa 600.000 no novolena tamin'ny velarantany 400 ha izay niarahan'ireo sampandraharaha maro miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana nandray anjara. Sehatra samihafa toy ny sekoly sy fiangonana ary ireo distrika mandrafitra iny faritra iny no nandray anjara ka mitotaly 778,5 ha ny velaran-tany voavoly zanakazo ary miisa 1.271.933 ho an’ny DREDD Atsinanana tamin’ny fanokafana rezionaly. Nosafidiana manokana ny tao Antetezana, Distrikan’i Brickaville no nanaovana ny fanokafana rejionaly, hoy hatrany ny talem-paritra, noho ity toerana ity hatao rakotr’ala satria  mahafeno ny fepetra amin’ny velarantany misy ala hitazonana ny entona karbaonina hiarovana ny tontolo iainana, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy hijanona amin’izao fanokafana izao ny fambolen-kazo, hoy ny fanazavana, fa hitohy mandra-pahatapitry ny taona. Ny zanakazo rahateo efa vonona  ka entanina ny rehetra mba samy handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny voa novoleny, hoy ny fanazavana, ankoatra ny fambolena.

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT