Sosialy

Fanoherana ny fanotofana tanimbary Hihetsika anio ny vahoakan’Ankadimanga, Itaosy,…


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Taorian’ireo vahoakan’Anosibe Izaivola ao anatin’ny Boriborintany fahenina sy Ambohitrimanjaka dia hifanampy hanao filaharam-be hanohitra ilay tetikasa tana-masoandro ihany koa ny vahoakan’Itaosy,

 

 

 

 

Ambohidrapeto, Ankadimanga anio zoma 18 oktobra. Tena fanimbana tsotra izao ny soatoavina sy ny vakoka mampalaza an’Ambohidrapeto sy Ambohitrimanjaka mantsy ny fanatanterahana ity tetikasa ity, hoy ny  solontenan’ny mponina. Ankoatra ny tanimbary fambolem-bary mantsy dia toerana fiompiana trondro sy vorona ary fanaovam-biriky ihany koa ireo kasain’ny fitondraùm-panjakana  hototofana ireo izay hiveloman’olona an’aliny, hoy ny vahoaka tahaka ny ao anatin’ny Kaominina Ankadimanga.  Nomarihin’ny mponina moa fa raha sanatria ka hiroboka ihany ny fanjakana hanototra io toerana 1.000 ha eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina io dia hisy tondra-drano hatrany an-drenivohitra ka tokony samy hiady ny rehetra fa tsy ny vahoaka tompon’ny tany hototofan’ny fanjakana ihany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT