Sosialy

Fanohanan’ny Banky iraisam-pirenena Asa takalo 100 000Ar ho an’ny tokantrano 2700


  • Talata 01 Febroary 2022

Mamoaka vola ny Banky iraisam-pirenena eo anatrehan’ny antso avo sy fanambarana nataon’ny Fanjakana momba ny maha traboina an’i Madagasikara na “état de sinistre national”

, araka ny tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy 27 janoary. Nisy ny fanambarana nataon’io rafitra ara-bola io omaly, izay nanehoana fa misy ny fanomanana hetsika manodidina ny 20 ataon’izy ireo ka hatao amin’ny endrika asa takalo vola izany, ary hisy ihany koa ny famerenana ny “Tosika Fameno”, izay hizarana vola mivaingana sy mivantana, izay natao hanohanana ireo tokantrano marefo, toy ny natao tamin’ny coronavirus. Tokantrano 2700 no hisitraka asa takalo vola, ka 20 andro no hiasana hahazoana 100 000Ar, raha ny fanambaran’ny Banky iraisam-pirenena. Ny Fanjakana amin’ny alalan’ny FID (Fonds d’Intervention pour le Développement) moa no hitsinjara izany. Nilaza kosa Tompon’andraikitry ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara Marie Chantal Uwanyiligira fa tafiditra ao anatin’ny CERC (composantes contingentes de réponses d’urgence) na natao mba hiatrehana sy hamaliana ny hamehana io araka ny voafaritr’izy ireo anatin’ny lamina napetrany. Tanjona ny hanampy ny governemanta hiatrehana ny hamehana sy ny fiarenana taorian’ny loza niseho. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tombana antsipirihan’ny fahavoazana, izay iarahany amin’ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka. Nilaza i Marie Chantal Uwanyiligira, fa mifantoka amin’ny fanohanana sy ny fitandroana ny ain’olombelona ary ny famerenana ireo fotodrafitrasa manan-danja, toy ny sehatry ny fitaterana, ny angovo, ny rano, ary ny fanadiovana izy ireo. Isan’ny sehatra tena ilàna tohana ireo ary laharam-pahamehana, saingy votsa fiasa tanteraka ny Fanjakana eo anatrehan’izany.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT