Sosialy

Fanohanana ireo vehivavy sembana Mifanome tanana ny Inner Wheel sy ny CUA


  • Zoma 03 Jolay 2020

Hanohana ireo vehivavy sembana eto Antananarivo Hiara-hiasa akaiky manomboka izao fikambanam-behivavy Inner wheel sy ny kaominina Antananarivo renivohitra.

 

 

 

 

 Ny fiahiana ireo vehivavy manana fahasembanana eo anivon’ireo Fokontany 192 mandrafitra ny kaominina Antananarivo renivohitra no tena vontoatin’ny fiaraha-miasan’ny roa. Fantatra tamin’izany fa asa efa fanaon’ny Inner wheel hatramin’izay ny mampiofana vehivavy ho matihanina amin’ny sehatry ny zaitra mba hanatsarana ny fidiram-bola miditra ao an-tokantranony. Manomboka izao kosa anefa dia ireo vehivavy manana fahasembanana eto Antananarivo no hisitraka izany. Tao anatin’ny 3 taona izay nisian’ny tetikasa dia vehivavy miisa 15 isaky ny 3 volana no nahazo fiofanana. Ankoatra ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny vehivavy moa dia anisan’ny tanjon’ity fikambanam-behivavy iray ity ihany koa ny hampaleo tena ny vehivavy manana fahasembanana ka hahatonga azy ireny tsy ho vesatra eny anivon’ny fiaraha-monina intsony.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT