Fanohanana ara-bola FEC

Fanampiana ho an'ny firenena farahidiny ve no mahafaly ?


  • Talata 23 Aprily 2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

na ny FMI tarihin’I Frederic Lambert. Anton-dian’ireo ny fifampidinihana ara-teknika mikasika ny tetikasa famatsiam-bola roa sosona dia dia ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) vaovao sy ny FRD (Facilité pour la Résilience et la Durabilité). Nisy omaly ny fivoriana notarihin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Eo am-pamaranana azy nanomboka ny 2021 sy 2023 ny FEC, raha toa ka tetikasa anatin’ny 18 volana ny FRD, ka mitodika kokoa amin’ny FEC vaovao 36 volana ny Fanjakana. Raha ny fanazavana, dia tsy maintsy ampifanindranan-dàlana amin’ny FEC ny FRD. Voaresaka ao anatin’ny tetikasa ny tokony hanamafisana ny fitantanana ara-bola, fandrosoana mampiaty, fampandrosoana ny maha olona, fahamarinana ara-toekerana,… Mivoitra ny fanamafisana ny politikam-pitantanana mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fampidirana ny lafiny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny fampiasam-bolam-bahoaka, ny fanatsarana sy fahaiza-mampiaraka ny fitantanana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro fa eo ihany koa ny fanamafisana ny fiarenana ho an’I Madagasikara manoloana ny loza voajanahary, fanamafisana ny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary, fiarovana ara-tsosialy sy ny fampandrosoana ny maha olona, fa indrindra indrindra ny andry eo amin’ny tetibola mitodika amin’ny fahamarinan-toerana ara-toekarena. Tena nijery an’ireo ve ny Fanjakana hatramin’ny nisian’ny FEC ary tena namokatra ve ? Hatreto, karazana vonjy aina sy fitserana avy amin’ny FMI ihany itony famatsiam-bolan’ny FEC itony, ary tsy hoe: fanomezana tombodahiny manokana ho an’ny Firenentsika fa iraisana amin’ny firenena mahantra sy farahidiny. Ny resaka famatsiam-bola lehibe hoenti-manatanteraka ny politikam-pampandrosoana na tetikasa lehiben’ny Fanjakana kosa tsy dia hita taratra firy. Mbola sarotra ihany koa anefa ny fahazoana azy fa mitaky fepetra maro, toy ny fanajana ny Fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly, fanajana ny demokrasia,… Hisy ny fihaonana samihafa ataon’ireo delegasionina ka anisany ny mety ho fihaonany amin’ny Filoham-pirenena, ireo minisitera voakasika,…
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT