Sosialy

Fanohanana an’i Madagasikara Nanolotra vary sy fanafody i Inde


  • Zoma 28 Septambra 2018

Natolotra tetsy amin’ny foiben’ny birao nasionalin’ny fitantanana ny loza ara-boajanahary (BNGRC) tetsy Antanimora ny fanomezana maimaimpoana avy amin’ny governemanta Indiana.

 

 

 Ahitana vary 1.000 taonina sy fanafody iray kaontenera mitotaly 1,5 tapitrisa dolara ary ny Ambasadaoron’i India, Subir Duttano nanolotra azy ho an’ny fanjakana Malagasy nosoloin’ny praiminisitra Ntsay Christian tena. Nanambara i Subir Dutta fa ho fitsinjovana sy hoenti-miatrika ny ho mety loza voajanahary tahaka ny rivodoza, ny hain-tany sy ny tondra-drano ireo vary natolotra ireo ka homena ireo olona mety ho traboina amin’ny faritra eto Madagasikara. Ny fanafody kosa dia natokana hiadivana amin’ny pesta sy ny tazomoka ny ankamaroany satria iaraha-mahalala ny fiverenan’io valanaretina io indray ankehitriny. Efa nozaraina eny amin’ireny masoivoho tompon’andraikitra ara-pahasalamana ireny moa ny ankamaroan’ireo fanafody ka afaka misitraka izany ny CSB (Centre de Sante de Base) sy ireo dispansera. Misy kosa anefa ny ampahany hajanona ao amin’ny BNGRC amin’ireo fanomezana ireo  ho fitsinjovana ny loza tampoka mety hisy, indrindra ny eto Antananarivo.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT