Sosialy

Fanodinkodinana vary mora 7 mianadahy nidoboka am-ponja


  • Alarobia 10 Jona 2020

Olona miisa 7 no nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny afera fanodinkodinana vary mora taorian’ny fiakarany fampanoavana ny alatsinainy maraina teo.

 

 

 

 

Saika olona manan-katao sy manana andraikitra ara-panjakana ireo voarohirohy sy nidoboka ireo. Tompon’andraikitra ambony iray eo anivon’ny fitantanana iraisam-paritry ny fitaterana sy ny fizahantany sy ny vadiny ary ny anabaviny ny telo, ary mpiara-miasa akaiky amina olom-boafidy iray na « assistants parlementaires » ana depiote iray. Mpivarotra mpamongady kosa ny iray farany, izay izy no voalaza fa nampiasaina nandray sy nanodina ireo vary. Misy ny karazana tsindry amin’ny hanarontsaronana sy handaminana ity afera ity avy amina olom-boafidy iray, ary misy ihany koa anefa olom-boafidy tsy mankasitraka ny tetika hampanjakana ny tsimatimanota. Tany amin’ny mpitandro filaminana dia efa nokasaina hofaranana ity raharaha ity. Ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa no nangataka ny hanokafana ny fanadihadiana tamin’ity raharaha ity, ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika izao. Tsy tonga tany amin’ny mpanjifa sy sahirana ilay vary, ary ho an’ilay namana milaza hoe nanao “audit” dia lojika raha tafaverina ny vola, saingy tsy tonga tany amin’ny sahirana, hoy i Rabetsara Lita Filohan’ny tambajotra mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Misy raharaha menaka sy “sardine” mbola mafampana ihany koa, raha ny nambarany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT