Olona 7 naiditra am-ponja vonjimaika, ary 8 nahazo fahafahana vonjimaika noho
ny raharaha mahakasika tsenan’asam-panjakana tsy ara-dalàna (marché public fictive) voalaza fa niseho teo anivon’ny Minisiteran’ny mponina ny taona 2018. 01 septambra no nahazo fitarainana ny bianco noho ny voalaza fa fisiana, hosoka, fanararaotam-pahefana, fanodinkodinana volam-panjakana famoahana vola tsy misy tsena akory, famotsiam-bola,… Talen’ny fitantanam-bola sy ny mpaniraka azy, “dépositaires comptables roa, tompon’andrailkitra momba ny tsenambario-panjakana na PRMP, mpamatsy entana,… ireo nidoboka. Vola 4 524 492 000 Ar moa no voalaza ahiana ho voahodinkodina tao amin’ny Minisiteran’ny mponina. Marihina fa nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly, dia nofoanana ny didim-panjakana 2016-1071 tamin’ny 21 jolay 2016 nanendrena ny Tale misahana ny fitantanam-bola. Nooanana ihany koa ny didim-panjakana 2019-181 tamin’ny 20 febroary 20219 nanendrena ny Tale misahana ny “Audit et Controle Interne” teo anivon’ny Minisiteran’ny mponina.
MIHEMOTRA AMIN’NY 24 NOVAMBRA
Isan’ny voasaringotra sy henjehin’ny mpitondra mafy amin’io ny Minisitry ny mponina teo aloha Rtoa Onitiana Realy. Amin’ny maha minisitra azy, dia ny Fitsarana ambony na ny HCJ no manana ny fahefana hitsara azy. Tsy maintsy mahazo tsodranon’ny solombavambahoaka ny fanenjehana, ka isan’ny dosie dinihina eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’izao fotoana izao ny mahakasika ireo minisitra teo aloha, toa an’i Reboza Julien, Ramparany Anthelme, Onitiana Realy,… Tamin’ity herinandro ity no voafaritra fa handraisana ny fanapahan-kevitra, saingy nahemotra amin’ny 24 novambra ny fandinihana izany. Mihazakazaka manenjika ireo olon’ny fitondrana teo aloha ny Mpitondra ankehitriny, raha toa ka mitarazoka kosa ireo afera sasany toy ny “bonbons sucettes” 8 miliara, ny “écran plat” 216 tapitrisa ariary,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.