Olona miisa fito mianadahy ka vehivavy ny roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany voalohany etsy Analakely noho ny resaka fanodinkodinana vola mitentina 20.000.000 Ariary tao amina banky iray teto an-drenivohitra.
Ny 13 mey 2020 dia nisy vola 20.000.000 Ariary tonga tao amina kaontin’olona iray izay tsy azy fa vola ana orinasa iray. Ora vitsivitsy taoriana io vola nirotsaka io dia nantsoina lehilahy iray ny tompon’ilay kaonty fa diso lalana ilay vola ka tokony haverina (en espèce). Tamin’izany dia nangataka taratasy fanamarinana tamin’ilay olona niantso ilay tompona kaonty vao hamerina io vola io. Rehefa izay dia niantso tsy tapaka ilay milaza fa tompon’ilay vola ka miovaova laharana finday ary somary manova feo no sady manao teny mahery sy mandrahona ho faty raha tsy manantanteraka ny teniny. Ny 19 may 2020 dia nametraka fitoriana teny anivon’ny Polisy ilay olona nirotsahan’ilay vola 20 tapitrisa ariary, nitory tamin’izany ihany koa ilay olona tena tompon’ny orinasa tompon’ilay vola ka nilaza fa nisy nanao hosoka sy fisolokiana ny kaontiny. Rehefa izany dia niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olo-meloka ny polisy ka ny 19 may teo dia efa nisy ny natao fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny Polisy. Ramatoa miisa roa izay mpiasa tao amin’ilay banky, tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa izy ireo no nandefa ilay vola tao amin’ny kaontin’ilay olona. Voasambotra ihany koa ny lehilahy miisa efatra ny 27 mey teo izay mpiray tsikombakomba tamin’ny famoahana ilay vola tao amin’ilay kaontin’ny orinasa. Ny lehilahy iray kosa dia mpanao an’ireny « taxi phone » ireny eny Talatamaty ka tamin’ny alalan’io no niantsoan’ireto mpisoloky ilay olona nandrotsahany ny vola. Tamin’ny fanadihadiana dia mpiasan’ny banky amina « agence » samihafa ireto mpisoloky ireto. Tamin’ny fikarohan’ny polisy ireo laharana finday niantsoan’ireo mpisoloky no nahafahana nanamarina azy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly izy 7 mianadahy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.