Fanodinana ny paoman’Antsirabe ho «cidre »

Tafapetraka ny ozinina mahavita manodina 500kg isan’ora


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Paoma 500kg isan'ora no voaodin'ny milina ho lasa « cidre »,

izay napetraka ao Antsenakely Antsirabe, hoy ny Minisiteran’ny indostria. Milina tafiditra ao anatin'ny tetikasa taninketsa indostrialy na ODOF. Paoma hatrany amin'ny 10 000 taonina no vokatra ao Antsirabe ao anatin'ny taom-pamokarana iray. Ny ankabeazan'ireo anefa dia simba sy lo rehefa tsy misy mandray ny vokatr'ireo tantsaha ka izay indrindra no nisafidianana ity milina napetraka eto ity, hoy ny fanazavana. Efa miodina ny milina ankehitriny, ny orinasa Ampalia no hitantanana izany ary mamanmpy azy ireo amin'ny fitadiavana lalam-barotra amoahana ny vokatra ny ministera. Eny amin'ireo Grande surface no efa azo antoka fa ahitana ny vokatra raha ny nambaran'ny mpitantana ny Ampalia. Efa nisy ny fifampiraharahana teo amin'ireo mpitantana izany sy ny fitondram-panjakana. Natao ho an'ireo vahoaka eny ifotony ity milina fanodinana paoma ho lasa « cidre » naterin'ny minisitra tompon’andraikitra. Asa fandraharahana no atao, hoy ingahy Edgard Razafindravahy, ka tanjona ny hahazoan'ny rehetra tombony indrindra fa ireo tantsaha mpamboly. Teo aloha, raha ozinina iray isaky ny ditrika iray no fanamby tamin'ny alalan'ny ministeran'ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra. Fanamby amin'izao fotoana izao kosa ny ametrahana ozinina fanodinana ny vokatra eny ifotony isaky ny kaominina, ka ao anatin'ny hazakazaka fanatanterahana izany ny minisitera amin'izao fotoana izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT