Sosialy

Fankalazana ny fetin’ny noely Hanatanteraka fampisehoana goavana ny « Quatuor Squad”


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Ho famaranana amim-pifaliana ity taona 2018 ity dia hanatanteraka fampisehoana goavana etsy amin’ny hotel Carlton Anosy ny “Quatuor Squad” anio Sabotsy 22 Desambra manomboka amin’ny 06ora sy sasany hariva, an-katoky ny fetin’ny Krismasy.

 

 

 “Christmas Symphony”  no loha-hevitra nampitondraina ny hetsika  ka anisan’ny hibahan-toerana mandritra izany ireo  karazan-kira fanao isaky ny fetin’ny Noely tahaka izao toy ny Avia ry mino….Hanomezana aina ny hira  mandritra izany ny fitendrena lokanga manakoako  izay tena talentan’izy efatra miralahy ao anatin’ny Quatuor tokoa, raha araka ny fanazavan-dRavo Raboanaridon, mpitendry lokanga be traikefa  ao amin’ny tarika. Ankoatra an’i Quatuor moa dia anisan’ny ho avy hanafana ny lanonana hotanterahin’izy ireo koa ry Shyn, telo sy telo izay miangaly rano fotsiny ny gadona acapella, ry Do be hotronina DJ , sy mpanao mozika maro samihafa. Nomarihin-dRavo Rabaonarison moa fa tsy ho diso anjara amin’ity lanonana ity ihany koa ny ankizy madinika ao anatin’ny fiangalian’izy ireo ilay hira “ petit papa noel”  izay hampifandraisiny mivantana amin’ireo karazan-kira hafa avy any ivelany. Mampanantena fampisehoana tena raitra sy tsy ho adino mandrakizay ao am-po araka izany ny “Quatuor Squad” koa miantso ny rehetra mba ho avy hiara-paly amin’izy ireo.

                                                                                                                                          

Pati

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT