Sosialy

Fankalazana ny 8 martsa Nafindra ao Antsirabe noho ny toetr’andro


  • Zoma 04 Martsa 2022

Voatery nafindra ao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra ny fankalazana nasionaly ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy izay hotanterahina amin’ny Talata 08 Martsa ho avy izao raha tokony hatao any Manakara,

 Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Noho ny andro ratsy izay ahiana hiditra ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana amin’io andro io sy ho fisorohana ny voka-dratsy mety haterak’izany amin'ireo mpandray anjara no antony. Maneho fialan-tsiny feno sy lehibe amintsika vehivavy Malagasy mpizaika sy ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo rehetra indrindra fa ireo any amin'ny Distrikan'i Manakara araka izany Minisiteran’ny Mponina sy ireo Komity mpanomana ny 8 martsa taona 2022. Na izany aza anefa dia fantatra fa tsy misy miova ny fandaharam-potoana rehetra izay voafaritra tao anaty ny tondro zotra efa nankatoavin'ny filankevitry ny ministra.
Pati
Legende : Ny minisitry ny mponina Soafilira Princia, mpanomana ny hetsika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT