2.300 Ar no vidin’ny lafarinina iray kilao amin’izao eny amin’ny mpaninjara raha
2.000 Ar no hakany ny iray kilao eny amin’ny mpambongady. Tsy mandeha ny tsena raha araka ny fanazavan’ny renim-pianakaviana mpivarotra iray tafaresaka taminay. Zara raha mahalafo 5 kg isan’andro mantsy izy raha mitontongana ho 2 kg mihitsy izany indraindray. Ny entana anefa mitobaka eny Anosibe, izay nomarihin’ity renim-pianakaviana mpivarotra ity fa tsy mbola nisy olana mihitsy hatramin’izay. Tsy dia hisy fiantraikany amin’ny Malagasy loatra araka izany ny fampiakarana ho 1200 taonina isan’andro ny vokatra lafarinina ao amin’ilay ozinina lehibe LMOI ao Toamasina raha 500 taonina isan’andro amin’ny fanombohan’ny famokarany. Tsy ho lanin’ny Malagasy mantsy izany raha tena fakafakaina araka ny zavamisy ankehitriny. Na ny mpivarotra iray aza mantsy tsy mahalafo lafarinina 5 kg isan’andro. Ny vary no tokony hanaovan’ny fanjakana ezaka ny fampidinana ny vidiny hoy hatrany ity mpivarotra iray ity. Efa mahatratra 650 Ar mantsy ny iray kilao amin’ny tsipala amin’izao, 700 Ar ny makalioka, 650 Ar ny vary gasy nefa mbola tsy maintso ahitra akory isika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.