Sosialy

Fanjifana solika Nihena hatramin’ny 40%


  • Alarobia 03 Jona 2020

Vokatry ny fihibohana dia nihena be ny fanjifana ny solika ary mbola feno hatrany ireo toby fitahirizana araka ny fanambaran’ny teo anivon’ny Ofisy Malagasin’ny Akoranafo (OMH).

 

Anisan’ny antony mahatonga izany ny fahavitsian’ny fiara mivezivezy ary nihena ihany koa ireo fiaramanidina mandeha. Tetsy andaniny anefa dia nitohy hatrany ny fanafarana ny solika avy any ivelany. Raha ny volana Aprily farany teo dia nihena hatramin’ny 38% ny fanjifana lasantsy raha oharina ny tamin’ny herintaona araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny OMH, Jean Baptiste Olivier. Raha ny gazoala kosa dia tafidina hatrany amin’ny 39% ny fanjifana raha ny volana Aprily io ihany no ampitahaina ary tonga hatrany amin’ny 50% ho an’ny etona fandrehitra.Tonga hatramin’ny 91 % aza izany fihenana izany ho an’ny karazan-tsolika ampiasaina amin’ny fitaterana ana habakabaka. Ny fisokafana tsikelikely no hamerina amin’ny tokony ho izy ny fanjifana ary ny fiverenan’ny orinasa tsy miankina amin’ny asany no tena antenaina hampiakatra ny fanjifana. Izy ireo mantsy no tena manjifa betsaka ny solika kanefa tena vitsy amin’izao fotoana izao no mahavita mameno ny fitoeran-dasantsy amin’ny fiara ( manao plein) ary na misy manao aza dia tena mahalana be. Tsy nahitana fihenana hatreto ny vidin'ny solika na dia betsaka aza ny tahiry ary nitotongana ny sandany teo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Antony ny trosa mbola ananan’ny mpaninjara solika mitentina 170 miliara Ariary amin’ny fanjakana araka ny fanazavan’ny Praiminisitra tamin’ny volana mey izay tsy ahafahana mampidina ny vidin-tsolika mihitsy.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT