Sosialy

Fanjifana Niakatra avo roa heny ny vidin’ny savony


  • Talata 09 Mey 2023

Niakatra avo roa heny ny vidin’ny sakafo amidy eny an-tsena amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao.

Raha 1000 Ar ny iray tamin’ireo kelikely tamin’ny faran’ny taona 2022 dia efa tafakatra 2.000 Ar ankehitriny. Toraka izany koa ireo novidiana 1.200 Ar ny iray tamin’ny volana Desambra dia efa mananika ny 2.000 Ar ankehitriny…. Ny tena mampalahelo anefa hoy ireo mpivarotra dia miharatsy ny kalitaon’ny savony no sady mihakely. Misy fiantraikany goavana amin’ireo olona manao asa fivelontena toy ny fanasan-damba izany, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Tsy mahavita lamba miisa 50 intsony mantsy amin’izao ny savony miisa 2 fa tsy maintsy 3. Ireo mpampanasa lamba anefa eo an-daniny tsy manaiky fa 50 Ar, na 100 Ar, na 150 Ar ihany ny manasa lamba iray miankina amin’ny habeny. Voatery ilay volakely azon’ireo mpanasa lamba indray araka izany no bangany hamidiny saingy hany ka mihena hatramin’ny vary hatokony. Tsy misy hitan’ny fanjakana avokoa anefa izany fahasahiranana mahazo ny vahoaka madinika izany. Izy ireo ihany anefa no nampiakatra ny hetra alaina amin’ireo akora fototra fanamboarana savony, antony mampidangana ny vidin’izy ireny. Andrasana ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana manoloana izany.
Pati
Legende : Tena midangana ny vidin’ny savony eny an-tsena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT