Fanjifàna isan-tokantrano

Tsy mahasahana iray andro intsony ny 20.000 Ariary


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

Kely sisa dia ho tapak’andro Ariary no fiantso ity vola lazaina fa roa alina Ariary na 20.000 Ariary ity,

hoy ny vazivazin’ny renim-pianakaviana iray, 4 taona lasa izay, izany hoe tamin’ireny fotoanan’ny COVID 19 nandalo teto Madagasikara ireny. Raha ny angom-baovao natao tamina fianakaviana vitsivitsy teto Antananarivo kosa dia tsy mahasahana isan’andro intsony ny 20.000 Ariary raha fanjifàna isan-tokantrano ankehitriny no atao. Izahay izao, hoy ny renim-pianakaviana iray, 3 mianaka, manofa trano fa rehefa atao ny kaonty mifarana ny volana dia tena katroka mihitsy ny fandaniana 20.000 Ariary isan’andro raha efa tena mitsitsy be. 4 mianaka izahay, hoy ny fianakaviana iray hafa. Soa ihany, hoy ilay renim-pianakaviana, fa tsy manofa trano fa tena efa hila tsy hahasahana ny lany isan’andro intsony izany 20.000 Ariary izany. Samy miezaka mampidi-bola daholo nefa amin’izany, hoy izy, ny olon-dehibe ato an-trano. Ny vidim-piainana iaraha-mahalala fa saika efa nitombo avo roa heny fara-fahakeliny avokoa ny vidin-javatra eny an-tsena. Tokona tongolo kely tsy misy dikany no vidianao 500 Ariary. Ny vola madinika toy ny 50 Ariary no midina efa tsy miasa intsony, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT