Taratry ny fandrosoan’ny firenena ny filàna ara angovo misy ao aminy.
Amin’izao fotoana izao dia saika mihena avokoa izany noho ny tsy fihodinan’ny Indostria. Ny any amin’ny firenena mandroso tahaka ny any Eoropa dia efa saika nihena avokoa ny filàna noho ny fepetra noraisina momba ny aretina coronavirus. Raha ny tany Frantsa manokana dia tafidina hatrany amin’ny 15% ny fanjifana herinaratra taman’ny herinandro lasa teo. Efa nihena hatrany amin’ny 40% ny vidin’ny Megawattheure izay mbola tsy nisy hatramin’izay. Hisy akony ratsy amin’ireo mpamatsy herinaratra sy entona fandrehitra izany. Nisy ny fanambarana nataon’ny tambajotra misehatra amin’ny fitaterana ny herinaratra tany Frantsa fa ampy ny herinaratra vokarina ary mahasahana izay filàna rehetra misy izay tahaka ny misintona ireo mpanjifa mba hanjifa bebe kokoa. Ampy ihany koa ny tambajotra mitatitra ny herinaratra manerana an’I Frantsa sy ny Eoropa iray manontolo araka ny fanambarana hatrany. Hatreto aloha dia mbola mandeha ireo orinasa tena mila herinaratra matanjaka eto Madagasikara tahaka ireny orinasa afakaba ireny, na dia nihena aza ny isan’ny mpiasa miasa. Amin’izao fotoana izao dia ampoizina ihany anefa ny fidinan’ny fanjifana herinaratra eto satria na ireo banky, na ny mpivarotra maro mampiasa herinaratra betsaka dia ny tapak’andro ihany no tena miasa. Hisy akony ratsy indray amin’ny fampidiram-bola amin’ny orinasa JIRAMA izay efa tanatin’ny fanarenana raha ireo orinasa mampiasa herinaratra ireo no mety hampiato ny asa fanaony. Indrindra moa fa nandray fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana farany teo hoe tsy misy mandoa saran-jiro sy rano aloha tamin’iny volana martsa iny ary rehefa hanefa izany indray dia mbola azo zaraina 5 na 10 mihitsy azan y fandoavana azy.Mety hahafinaritra ny mpanjifa io saingy zava-doza ho an’ny orinasa Jirama ary efa midika ihany koa fa tsy maintsy hamoaka volabe hanohanana ny Jirama ny fanjakana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.