Sosialy

Fanjariantsakafo Tokony atao taranja iray manokana any an-tsekoly


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Fehin-kevitra 4 no tapak’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara maromaro voafidy tany amin’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra

 

 

Ambony ary Atsimo Andrefana, nandritra ny fidinana ifotony niarahana tamin’izy ireo, notontosain’ny tambajotra Champions de la Nutrition de Madagascar (CHANUT MADA), ny vovonana HINA ary ny fikambanana tsy miankina Action Contre la Faim (ACF). Nampahafantarina omaly teny Anosy, tamin’ireo solombavambahoaka hafa, tamin’ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, ary tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa izany fehin-kevitra izany, izay hiadian’ireo depiote mafy eny anivon’ny Antenimierampirenena ny hanatanterahana azy, araka ny nambaran’izy ireo. Voalohany indrindra dia ny hananganana « direction » miandraikitra manokana momba ny fanjariantsakafo, eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, raha toa ka « service » izany ankehitriny. Maro ny antony, isan’izany ny hanana tetibola mitokana sy mazava, hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo. Mifandray amin’izany indrindra ny fehin-kevitra faharoa, dia ny hampiakarana ny tetibolam-panjakana momba ny fahasalamana, fa indrindra momba ny fanjariantsakafo, ary ny hitsinjarana izany hipaka eny ifotony. Ny fehin-kevitra fahatelo dia ny hampidirana ny fanjariantsakafo any anatin’ny fandaharam-pianarana, dieny mbola eny amin’ny ambaratonga fototra, ary ny hanaovana izany ho taranja manokana mihitsy. Ny farany dia ny hametrahana lalàna sy hamondronana an’ireo lalàna efa misy, mifandraika mivantana na an-kolaka amin’ny tsy fanjariantsakafo. Ady marolafy, mahakasika sehatra maro moa ity tsifanjariantsakafo ity, ka isan’ny nivoitra nandritra ity atrikasa ity ihany koa ny hampandraisana anjara mivantana an’ireo ministera hafa, ao anatin’izany, toy ny Ministeran’ny Ati-tany, izay miahy mivantana ny Ben’ny tanàna sy ny Sefo Distrika, afaka manentana an’ireo vahoaka eny ifotony.

 

Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT