Sosialy

Fanjarian-tsakafo sy fambolena any Atsimo Nanolotra 25 tapitrisa dolara ny Amerikana


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

Nambaran’ny mpiandraiki-draharahan’ny masoivohon’i Etazonia Amy Hyatt ny faran’ny herinandro teo ny fanomezana famatsiam-bola 25 tapitrisa dolara fanampiny,

 ho fanampiana vonjy taitra hanalefahana ny vanim-potoana manahirana any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Amin'ny alàlan'ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Maneran-tany (USAID) io, amin'ny anaran'ny vahoaka Amerikana, hamatsiana tetikasa efatra ho fanohanana ny fanarenana ny fambolena sy hanomezana sakafo. Tombanana ho 1,3 tapitrisa ny olona any atsimo ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo. Vao manomboka ny maitso ahitra ary ahiana ho voafetra ny fahazoana sakafo hatramin'ny aprily 2022. “18,5 tapitrisa dolara no atolotra ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM) mba hahafahany manohy ny fizarana sakafo mamonjy aina sy fanomezana fanampiana ara-bola ho an’ny olona 463.000 mahery.” Hitondra fanampiana vonjy taitra ho an'ireo olona tena voa mafy ny PAM. Vahoaka 239.200 no hahazo fanampiana ara-tsakafo ary 224.000 hafa no hahazo fanampiana ara-bola. Hatramin’ny 2015 no mankaty, mitentina 261 tapitrisa dolara mahery no ampiasain’ny USAID any atsimo. Ny Catholic Relief Services sy Action Contre La Faim izay mpiara-miasa dia hanome masomboly mahatanty hain-tany, sy hanolotra fitaovana ho an’ny tantsaha, ary hiantoka ny famatsian-drano ho an’ny fambolena. Hanampy olona 376.000 ireo tetikasa ireo. Sambany eto Madagasikara ihany koa ny USAID no miara-miasa amin’ny Foibe Iraisam-pirenena ho an’ny Vomanga (CIP), hiara-hiasa akaiky amin’ireo tantsaha, hanentana sy hamporisika ny fambolena sy fihinana vomanga miaty volomboasary, izay sady be otrikaina no mahatanty hain-tany ary azo tehirizina mandritra ny enim-bolana, ka olona 400.000 no hisitraka. Mamatsy sakafo ho an’olona 700.000 ny tetikasa vatsian’ny amerikana any atsimo amin’izao, mitsabo sy misoroka ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny ankizy 92.900, manatsara ny fahazoana rano ho an’ny olona 50.000, ary mampiroborobo ny fanarenana ara-toekarena amin'ny alalan'ny fambolena ho an'ny tantsaha 44.520.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT