Sosialy

Fanjakana Malagasy Mangataka 60 tapitrisa dolara ho an’ny kere


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Olona 1 348 000 no lasibatry ny kere any Atsimo, araka ny tarehimarika nivoaka

 

teo amin’ny fifampidinihana niarahan’ny Filoham-pirenena sy ny mpiara-miombon’antoka nahitana ny Banky Iraisam-pirenena, PNUD, Vondrona Eoropeanina, UNICEF, ary ny PAM. Ny 9 hetsy amin’ireo olona kere no efa tafiditra anary sokajy fahatelo sy fahaefatra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nandritra io fihaonana io no nilazan’ny mpitondra, fa 60 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola angatahin’ny Fanjakana amin’ny mpamatsy vola. Hoetina manao vahaolana vonjimaika, toy ny fitondrana fanampiana ara-tsakafo sy ara-bola io. Latsaka kely amin’ny tetibola nanamboarana ny kianjan’i Mahamasina izay 77 tapitrisa dolara io tetibola tadiavina hoentina miatrika ny kere any Atsimo io. Tsy niantsoana fivoriana tamin’ny mpamatsy vola ny Fanjakana, raha nanamboatra kianja, fa tonga dia nahita, nandidy sy nanapaka tamin’ny volam-bahoaka. Rehefa kere kosa tsy maintsy miandry sy mitady mpamatsy vola. Tsy hoe ratsy ny manamboatra kianja, tsy hoe tsy ilaina, fa kosa mba mila ampifandanjana amin’izany ny zavatra hafa tokony ho laharampahamehana kokoa. Rehefa manana 77 tapitrisa dolara hananganana ny Kianja ny Fanjakana, tokony hanana tetibola hafa ihany koa hihatrehana ny zavatra hafa tsy voatery ny kere ihany, fa ny resaka fanarenana ara-toekarena izao tsy misy tokontaniny raha dinihina amin’ny laharampahamehana ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2021.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT