Sosialy

Fanjakana hividy vokatra Nanantena tsy misy ny tantsaha…


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Ny 06 aogositra tany Ambatomena Fianarantsoa no nilazan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hoe hovidian’ny fanjakana ny vokatry ny tantsaha, hisy kamio, hitety any Ambanivohitra hividy izany amin’ny vidiny araka ny tokony ho izy.

 

 

 

Mijaly rahateo ny tantsaha izay tena nifofotra sy nandany aina tamin’ny famokarana kanefa tsy misy mividy sy simba ny vokatra, ka voatery atao varoboba. Nambara fa ireny vokatra ireny no hovidian’ny fanjakana ary ireny no hozaraina amin’ny vatsy tsinjo avy eo. Aiza ny tatitra mazava momba ny fanjifan’ny fanjakana ny vokatry ny tantsaha raha tena natao tokoa ? Taiza sy taiza avy ireo faritra nividianana vokatra ary taiza no nizarana azy ? Hatreto aloha tsy mbola nandrenesam-peo sy tatitra mazava ny momba io resaka io, kanefa isan’ny hevitra mety miendrika fitsinjovana mivantana ny tantsaha.Izy ireo rahateo maro no sahirana tamin’ny famoaham-bokatra; ary na tafavoaka aza izany ny mpanjifa mihitsy koa no efa tsy manam-bola.Nanantena ny fanjakana hoe ho avy hividy ara-drariny ny vokatry ny tany , kinanjo resaka nandalo dia niserana ilay izy .Vary amin’ny gony , menaka, ronono amin’ny boaty, voanemba maina ary CVO no entana hita amin’ilay hetsika sosialim-bahoaka fa tsy nisy legioma vokatry ny tany teto an-toerana kosa aloha. Andrasana ny tatitra na ny fanatanterahana azy mba tsy hijanona ho resa-be sy fampanantenana poakaty lava. Mila tena haompana amin’ny fijerena ny lafiny famokarana sy ny fanjifana ny vokatra anatiny ny politika eto amin’ny firenena, saingy ny vary hoanintsika aza manafitra an’aliny taonina avy any ivelany ny fanjakana. Ny 82% amin’ny Malagasy anefa dia tantsaha avokoa.

 

 

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT