Sosialy

Fanitarana ny lalana eto an-drenivohitra Nijery ny fizotry ny asa ireo mpamatsy vola


  • Alakamisy 16 Mey 2019

Nidina ifotony nijery ny asa fanamboarana ny lalana amin’ny rocade Avaratra atsinanana-atsinanana, omaly ireo mpamatsy vola toy ny AFD, ny vondrona Eoropeanina … taorian’ny 12 volana nanatanterahana ny asa.

 

 

 

Asa natao hanitarana ny lalana eto an-drenivohitra izy ity raha tsiahivina izay miainga eny Ankorondrano mivoaka any amin’ny lalam-pirenena faharoa hialana amin’ny fitohanana lavareny misy eto amintsika. Eo am-panaovana ny fanitsiana ny lalana ireo orinasa mandray an-tanana izany ankehitriny. Nisy mihitsy ny asa natao tamin’ny alina nanomboka ny 04 aprily lasa teo ka efa vita hatrany amin’ny 20 % ny asa ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izany ny fivilianana eo amin’ny tetezan’i Soamanandrariny, ny tetezan’Ampasimbe ary ny raokady atsinanana. Kendrena ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2021 ny asa ahitana mpiara-miasa hatrany amin’ny 600 isa. Tsiahivina fa  miainga eo amin’ny rond point Marais Masay mihazo an’Andranobevava sy  Amoronankona ity lalana ity, mandalo  eny Soamanandrariny  sy Ambohimahitsy.   Ho an’ireo olona manana olana amin’ny fanamboarana ny taratasin-taniny moa ka voakasiky ny tetikasa dia fantatra fa hanampy azy ireo amin’ny fikarakarana ny fitondram-panjakana. Hahazo fotodrafitrasa toy ny rano fisotro madio… ihany koa ireo fokontany 12 isa lalovan’ity lalam-baovao ity.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT