Sosialy

Fanitarana an’i Bas Mangoky Mampitandrina ny komitin’ny olon-kendry


  • Talata 11 Oktobra 2022

Nandefa taratasy misokatra eo anivon’ny banky afrikanina misahana ny fampandrosoana na BAD ny komitin’ny olon-kendry misaina ny hoavin’I Bas Mangoky na CRDBM

fa amin’ny maha fikambanan’olon-kendry azy ireo dia tanjona ny hisian’ny fandrosoana ara-tsosialy, indrindra, toekarena ao an-toerana. Anton’izao taratasy misokatra izao, hoy ny CRDBM, ny hampahafantarana anareo ny zava-misy marina mikasika ny fitsinjarana sy fitsinjarana indray ireo tany mikasika ny tetikasa fanitarana an’I Bas Mangoky. Niaraha-nahita izany nandritry ny fidinana ifotony nataonareo tao Antanandava-station. Tsikaritra ho manimba zavatra maro izany dingana volen’ireo mpikamban’ny CAT Strategique izany. Tsy nasian’izy ireo lanja ny fangatahan’ny komitin’ny olon-kendry sy ireo vahoaka ety ifotony dinika an-databatra boribory hijerena ny vahaolana mety amin’ny rehetra, hoy hatrany ny CRDBM. Mampitandrina, noho izany, ny komitin’ny olon-kendry fa mety hiteraka hatezaram-bahoaka izao fiziriziriana izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT