Sosialy

Fanisana trano eto an-drenivohitra Vita ny 20%-n’ny asa, efa tafiditry mpisoloky sahady


  • Zoma 20 Aogositra 2021

Efa tapa-bolana izao no nanombohan’ny asa fanisan-trano andiany faharoa manerana ireo Boriborintany 5 mbola tsy nahavitana izany, karakarain’ny kaominina Antananarivo renivohitra, tohanan’ny tetikasa Produir.

Ny 20%-n’ny asa no efa vita amin’ny ankapobeny nahavitana nanisa trano miisa 30.000. Nambaran’ireo tompon’andraikitra misahana ny tetikasa fa anisan’ny tanjon’izy ireo sy ny kaominina Antananarivo renivohitra ny mba hahafahana manao drafi-pivoarana entina hanatsarana ny tanàna raha tsy latsa-danja amin’izany ny fijerena ireo filan’ny mponina. Anisan’ireny ohatra ny jiro ho an’ireo mbola tsy manana izany, ny rano raha tsy adino ihany koa ireo trano naorina tsy ara-dalana mbola tsy manana taratasy fahazoan-dalana. Fahombiazana no azon’ny mpikarakara tamin’ny ankapobeny. Na izany aza anefa dia nisy ihany ny indrokely. Raha araka ny fanazavan’izy ireo omaly mantsy dia efa tafiditry ny mpisoloky ihany koa ity sehatra ity. Mitety trano mihitsy izy ireo ary efa nisy tratra ka efa natolotra ireo tompon’andraikitra misahana izany ny raharaha. Nomarihin’ireo mpikarakara moa fa manana badge ara-dalàna ireo olona tonga mitety trano manao ity asa fanisan-trano ity, manao fanamiana mitovy ihany koa ary manana zo hitaky izany ny tompon-trano mba hisorohana ireo mpisoloky mikasa hanao ny hataony.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT