Lany andro ny antontanisa momba ny mponina sy mahakasika ny harem-pirenena eo am-pelatanana amin`izao fotoana izao. Zava-dehibe ho an`ny firenena ny hanaovana ny fanisana handrafetana ny politika momba ny fampandrosoana, toekarena sy sosialy, eo amin`ny faritra tsirairay sy ny firenena manontolo amin`ny alalan`ny tetikasa RGPH-3.
Saingy niteraka resabe teo anivon`ny fiarahamonina noho ny tsy fahampian’ny serasera sy ny fanazavana tamin`ny vahoaka, hany ka nananosarotra ny fanatanterahana ny asa, indrindra tany ambanivohitra. Ankoatra io fanadihadiana ny mponina sy ny toeram-ponenana io mantsy dia misy ihany koa ny fanangonana antontanisa hafa fanaon`ny Instat.Ezahanamanomboka eto ny fampahafantarana mialoha ireo fanontaniana tsy maintsy apetraka isan-tokantrano mba hahafahan’ny rehetra miomana lavitry ny ahiahy, hoy ny avy ao amin’ny INSTAT omaly…
Tany amin’ny 25 taona lasa no nisy fanisam-bahoaka farany teto Madagasikara, izany hoe tany amin’ny 1993. Raha ny fenitra iraisam-pirenena no arahina dia isaka ny 10 taona no tokony hanao ny fanisana ny vahoaka ny firenena iray. Tanjona lehibe iray ny fampiroboroboana ny fitsinjaram-pahefana any amin`ny faritra 22, distrika 119, kaominina 1 727 hatrany amin`ny fokontany 18 251. Amin`ny 10 taona manaraka aorian`izao fanisana izao dia hisy lohahevitra faritana ohatra ny amin`ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny ala, ny fotodrafitrasa… ary hamoahana tahirin-kevitra izay voaangona amin`ireo handrafetana amin`izay tokony hatao. Ity tetikasa RGPH 3 ity ihany koa no entina hampiroboroboana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifoton’ny faritra tsirairay.
Tara i Madagasikara
Ny volana aogositra 1993 no nisaina farany ny mponina teto Madagasikara. Noho ireo krizy politika nifanesy dia tsy maintsy naato ny fanatanterahana izany fanisana izany. Vokatr’izay tsy fahavitan’ny fanisana izay anefa, dia lasa tombantombana sy vinavina avokoa ny asa atao eto amin’ny firenena, nefa iankinan’ny ain-dehibe amin’ny fampandrosoana, isan’izany izao ny fikarohana, ny tetikasa fampandrosoana, ny fandaharan’asa sy ny politika fampandrosoana, ny antontan-kevitra omena ireo mpamatsy vola, ary ireo vaovao azo alaina amin’ny asam-pikarohana rehetra. Isaky ny 10 taona satria miainga amin’izay ny fandrafetana ny politikam-pandrosoana ara-toekarena atao. Mbola hisy fanadihadiana hatao amin`ireo antontanisa voangona koa amin`ny taona ho avy vao ho fantatra ny tena valiny. Ny firenena mikambana no manentana ny firenena tsirairay hanisa ny mponina ao aminy isaky ny 10 taona satria miainga amin’izay ny fandrafetana ny politikam-pandrosoana ara-toekarena atao.
Tsy mijanona amin`ny fanisana
Ankoatra io fanadihadiana ny mponina sy ny toeram-ponenana io, misy ihany koa ny fanangonana antontanisa hafa fanaon`ny Instat. Tsy mijanona amin`ny fanisana mponina fotsiny ny tetikasa RGPH-3 fa ao anatin`izay ihany koa ny tokony ho fantatra amin`ny taham-pahantrana sy ny ankapobeany, sy resaka asa satria ny valin`ny fanadihadiana no andraisana fanapahan-kevitra amin`izay tetikady na paik`ady amin`ny fe-potoana manaraka. Ny “plan national” eto amintsika rahateo somary mitongilaila ihany ka izany no antony ilàna izay tokony ho fantatra amin`ny mahakasika ny toetoetry ny ao anaty tokantrano, ny taham-pahantrana sy ny resaka fidiram-bola. Ilaina avokoa ireny isana « lecteurs, … » Ny lalàna lah. 68-003 tamin`ny 18 Jona 1968 amin`ny andiny voalohany dia mandidy ny olom-pirenena na ny orinasa tsirairay hamaly ny fanontanina apetraky ny mpanadihady. Ny andininy faharoa kosa dia mandrara ireo mpanadihady mba tsy hamoaka ny valim-panadihadiana. Ireny no hanaovana kajy samihafa mba hahafantarana ny mety vola miditra èo amin`ny isam-batan-olona satria ireny no mety hamantarana ny taham-pahantran`ny olona, ny isan`ny olona manan latsaky ny 1,5$ na 2$. Ireny no ahafahana mandray fanapahan-kevitra hoe ahoana ny fomba handrafetana paik`ady vaovao mba ahafahana miady amin’ny fahantrana marina. Raha hiady amin`ny fahantrana dia tokony ho tafiditra ao avokoa ireo olona tena manana olana miady amin`ny fahantrana sy ireo sokajin`olona isan-karazany. Hamoahana tahirin-kevitra izay voaangona amin`ireo handrafetana amin`izay tokony hatao.
Ilaina amin`ny fampandrosoana
Niteraka resabe ny fomba fiasan`ireo olona manao ny fanisana naparitaka manerana ny Nosy. Niteraka ahiahy amin`ny vahoaka ary nanasaotra ny fanatanterahina ny asa indrindra any ambanivohitra. Mpanadihady efa nahazo fiofanana manokana no hanatanteraka ny fanisana. Mahatratra 32 000 eo ho eo izy ireo no hiparitaka manerana ny nosy ary hanatanteraka ny asa. Mitondra marika famantarana (badge) izy ireo mandritra ny fotoana hanatanterahany ny asany. Manoloana ny ahiahin’ny vahoaka ny amin’ireo fanontaniana apetrak’ireo mpanadihady tahaka ny resaka fananana ao an-tokantrano, ny fanofana trano na tsia, eny hatramin’ny karazan’ny toeram-pivoahana dia tena ilaina indrindra izany amin’ny lafiny fampandrosoana sy ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny fahantrana. Miainga hatrany amin’ireny lazaina ho pitsopitsony ireny mantsy ny tetika sy ny drafitra hoentina mampandroso ny toekarena. Araka izany dia avy amin’ireo tatitra rehetra ireo no haravona hananganana politikam-pampandrosoana ara-toekarena ho an’ny firenena izay mahavita izany. Ilaina ireo tarehimarika sy antontanisa ireo handrafetana ny ezaka rehetra tokony sy tsy maintsy atao hampiroboroboana haingana ny toekarena sy hikajiana ireo tondro isan-karazany.
30 tapitrisa dolara
Ny tetikasa RGPH-3 dia no vatsian’ireo mpamatsy vola, toa ny UNFPA, Pnud, Usaid vola hatrany amin’ny 25,9 tapitrisa Dolara, ka ny an’ny Banky iraisam-pirenena no betsaka indrindra. Raha toa ka 600 000 Dolara amin’io avy amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy. Ny fanisana ny mponina sy ny toeram-ponenana faha-3 dia notanterahina ny 18 mey 2018 hatramin’ny 10 jona 2018. Mitovy daholo ny daty hanatanterahana ny fanisana manerana ny nosy izay maharitra 24 andro eo ho eo. Toy izao kosa ny fizotry ny asa : Ny 7 andro voalohany no hametahana ny laharan’ny tokantrano tsirairay ka hisy famaritana ny faritra iasan’ny mpanadihady tsirairay ataony amin’izany. Ny 17 andro manaraka kosa no hanatanterahana ny fanisana izay arahana fanadihadiana maharitra 25 minitra eo ho eo isaky ny tokantrano. Telo volana aorian`ny anatanterahana ny fanisana ankapobeny fahatelo ny mponina sy ny toeram-ponenana no hivoaka ny vokatra vonjimaika. Ny voka-panadihadiana feno kosa dia ho azo amin`ny faramparan`ny taona 2019. Tsara homarihana fa mitaky fotoana maharitra ny fikirakirana ny vokatry ny fanisana ny mponina sy toeram-ponenana noho ny hamaroan`ny rafi-panontaniana hokirakiraina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.