Sosialy

Fanisana mponina sy trano fonenana Ao anatin’ny fotoana farany hamoaham-bokatra


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Manoloana ny fanangonam-bokatry ny fanisana fahatelo eto Madagasikara (RGPH3) dia nanambara ny injeniera tompon’andraikitra eo anivon’ny INSTAT, Andriamitsara Tarzan, fa efa miditra amin’ny fitanàna an-tsoratra farany izy ireo.

 

 Na dia nisy aza ny fahasarotana tany amin’ny faritra sasany noho ny olana maro samihafa tahaka ny asan-dahalo dia efa azo daholo ny vokatra tany amin’ny faritra rehetra. Amin’izao fotoana izao dia efa anatin’ny fotoana farany fikirakirana ireo vokatra ireo ahafantarana ny tena isan’ny mponina isaky ny tokantrano, ny faritra, ny distrika,  ny kaominina ny foibe mpanisa INSTAT. Araka izany dia efa naman’ny vita ny fanisana ny mponina eto Madagasikara na dia nisy aza ireny olana tamin’ny fanahian’ny olona ny amin’ny fanontaniana napetraka taminy ireny satria efa azo avokoa ny vokatra rehetra. Tsiahivina fa isaky ny 10 taona amin’ny ankapobeny no atao ny fanisana ny mponina sy ny toeram-ponenan’ny firenena tsirairay ka efa tara i Madagasikara satria efa tamin’ny aogositra 1993 no nisaina farany ny mponina izany hoe efa 25 taona lasa. Ny firenena mikambana moa no tompon’antoka amin’ny fanentanana ny firenena tsirairay hanisa ny mponina ao aminy  satria miainga amin’izany ny fandrafetana ny politikam-pandrosoana ara-toekarena atao sy ny fanavaozana ny antontan-kevitra mikasika ny lisi-pifidianana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT