Sosialy

Fanisam-bahoaka sy fanampiana 100 000 Ar Hanao ahoana ny tohiny ?


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena “digitalisation” eny amin’ny fokontany rehetra izay zava-dehibe hataontsika, ka hanombohana azy ireo faritra 3 anaty fihibohana (Analamanga, Matsiatra Ambony, Antsinanana),

 

 

 

 

 

 hoy ny Filoha ny 8 aprily, 18 andro lasa izay. Alaina ny mombamomba ny olona rehetra na ny “base de données”, ka hisoratra ao daholo ny isan-tokantrano. Nambarany fa miaina anaty fahasahiranana ny Malagasy: trano efitra roa feno olona maro, tsy manana kara-pokontany sy kara-pifidianana,... Hosoratana amin’ny solosaina daholo, ka hovatsiana solosaina avokoa ny fokontany ary hisy ireo “operateurs de saisie” avy amin’ny minisitera. Alaina ny rejisitra ary omena laharana.Omena « carte magnétique » miaraka amin’ny « code barre » avokoa ny olona. « Scanner-na” iny dia hita ao daholo hoe iza no tonga sy tsy tonga, iza no nahazo fanampiana ary iza no tsy nahazo. Homena 100 000 ariary ny olona sahirana, ary tsy maintsy ho vita ao anatin’ny 10 andro ireo. Tena vita sy mandeha laoniny ve? Misy ihany ny fandraisana anarana amin’ny toerana sasany, fa mitarazoka na tsy re ny tohiny, misy ny mbola tsy nanao, ao koa ny efa nahavita . Hanao ahoana ny tohiny amin'izao efa miverina tsikelikely izao ny asa aman-draharaha sy ny fianarana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT