Sosialy

Fanisam-bahoaka nataon’ny INSTAT Miisa 25.680.342 ny Malagasy


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Natolotra ny filankevitry ny minisitra omaly ny fampahafantarana ny isan’ny mponina vonjimaika araka ny fanisana ny mponina vita ny faran’ny taona 2018 ary navoaka tamin’ity taona ity notanterahan’ny INSTAT.

 

 

 Fantatra ary fa 25.680.342  ny Malagasy monina eto Madagasikara amin’izao fotoana ka 13.013.190 ny vehivavy ary 12.666.952 ny lehilahy. Ny vehivavy izany no maro an’isa. Ny faritanin’Antananarivo no be mponina indrindra izay mahatratra 7.264.922 . Amin’ny faran’ny taona 2019 vao ampahafantarina ny daholobe ny totalin’isa farany voamarina satria mbola misy ny fanamarinana sy fanamafisana ireo tarehimarika voaangon’ireo mpanao fanadihadiana, izay nampahafantarina tao anatin’ny rakiboky milaza ny isan’ny mponina vonjimaika sy ny toetry ny tahan’ny fitombon’ny mponina isan-tsokajiny. Tena ilaina eo amin’ny fitantanana ny firenena sy ny fandrafetana paikady ara-toekarena ny isan’ny mponina. Tsy ny isa faobe fotsiny moa no hivoaka fa mandeha amin’ny sokajiny : lahy sy vavy na koa hoe ankizy sy tanora. Eo ihany koa ny isan’ny trano na toeram-ponenana, ny olona an’asa sy ny tsy an’asa ary ny zavatra maro. Ny taona 1993 no nisy fanisam-bahoaka farany natao teto Madagasikara.

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT