Sosialy

Fanesorana mpiasan’ny ORTM “Misy fandikan-dalàna mihoapampana”


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Mbola mangotraka ny raharaha mahakasika ny haino aman-jerim-panjakana.

 

 

Tsiponina ireo mpiasa tsy azo atao fitaovana ary tsy arakaraka ny fahaiza-manao izany ny tombana atao fa tena misy olona tsy manana ny fahaiza-manao tazonina, hoy ny fanazavana avy amina mpiasa. Ny mpiasam-panjakana raikitra, dia misy efa voaomana ny famindran-toerana. Nisy “gros bras” 16 nihaodihaody teny amin’ny ORTM tamin’ny fotoana saika hanehoana firaisankina hanao akanjo maitso nifanentanan’ny mpiasa mba hanakorontanana sy hahafaha-manenjika azy ireo. Feno “cameras de surveillance” hanara-maso ny mpiasa ny toeram-piasana sy ny manodidina. 6 taona eo ny salanisan’ny taona niasan’ireo mpiasa ECD hoesorina, ary misy hatrany amin’ny 18 taona niasana. 18 ny mpiasan’ny TVM mananontanona ny fanesorana, 8 ny RNM, 4 DIT, 7 Direction générale raha ny fanazavana azo. “Nambara fa miakatra ny fampidiram-bolan’ny haino aman-jerim-panjakana noho ny fahaiza-mitantana. Nisy ezakay mpiasa tao anatin’izany. Teo aloha aza tsy nanala mpiasa ka amin’izao efa fiakaran’ny vola miditra vao hanala.”, hoy izy ireo. Ny vola miditra anefa amin’ny ankapobeny no miantoka ny karaman’ireo mpiasa ECD. Ny  andininy faha-23 amin’ny lalàna 94-025 tamin’ny 19 novambra 1994 momba ny mpiasa tsy raikitra amin’ny fanjakana anefa, dia milaza fa rehefa nahavita asa 6 taona, dia tokony horaisina mpiasam-panjakana mifandraika amin’ny mari-pahaizany. Ireo mpiasa noroahina noho ilay raharaha tagnamaro ny volana aprily, efa nomen’ny “inspection de travail” rariny aza fa miverina amin’ny asany tsy notanterahina. Misy tompon’andraikitra ambony mihitsy namoaka vava fa izy ireo aloha izao no eo, dia izay tiany, hoy hatrany ny fitarainana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT