Mihohoroho, toran-kovitra ireo mpikambana avy amin’ny fikambanana AV7, lasibatra tamin’ny raharaha 7 febroary 2009 teny Ambohitsorohitra.
Misy amin’ireo mpikambana no manome vaovao fa tena tsy mitombina ny saina aman’eritreritr’izy ireo eo anatrehan’ny fandroahana mpiasa tsy raikitra (ECD) eny anivon’ny minisitera samihafa. Tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina dia nomena toerana satria nambara fa hampidirina ho mpiasam-panjakana ireo mpikamban’ny AV7 miisa 219, ka notsinjaraina ho 8 isaky ny minisitera. Miainga amin’ny fifanarahana arak’asa tsy tena raikitra na « ECD » vao tena tafiditra mpiasam-panjakana, ka mbola ao anatin’ny sokajy voalohany. Manenina tongotra aman-tanana izahay, hoy ny sasany, satria tsy tonga teo i Andry Rajoelina raha tsy nisy anay. Mahatsapa ho natao tohatra fiakarana noho izany ireo AV7 ireo. Ny fanjakana Rajaonarimampianina no tena nijery azy fa tsy ilay filohan’ny tetezamita lasa filoha ankehitriny, hany ka toa kaikerin’ny amboakelitiany, araka ilay fomba fiteny, izy ireo. Ny tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny moa no efa nisian’ny fanapahana fiaraha-miasa amin’ireo ECD mba hodiovina ny minisitera. Miitatra izy io raha ny politikan’ny fanjakana no jerena. Tsy handray ECD ihany koa ny fanjakana mba hisian’ny fitsitsiana. Ho betsaka ny very asa manomboka eto. Hanampy isa ny eny La Réunion kely ? Mafy mantsy ny mitady asa amin’izao. Misy amin’ireny mpiasa ireny no efa am-polony taona no niasa tamina minisitera nefa miala, mainka fa ny tahaka ny AV7. Milaza ny hanao famoronan’asa rahateo ny fanjakana, saingy ny efa miasa aza roahina sy tapahana ny fifanarahana. Raha asa any amin'ny minisitera sy sampandraharaham-panjakana samihafa anefa dia ny “ECD” no tena miasa sy mamokatra satria mikendry ny ho mpiasam-panjakana raikitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.