Sosialy

Fanesorana ireo mpiasa ECD Sahirana ara-bola ny fanjakana ?


  • Alakamisy 21 Martsa 2019

Taorian` ny baiko nomen` ny Filoham-pirenena, nandritra ny filan-kevitry ny ministra, 27 febroary lasa teo, dia tsy hisy intsony ny fandraisana ireo mpiasa ao anatin` ny fifanarahan` asa « Emploi de Courte Durée » na ECD.

 

 

 

 Inona marina no atao hoe “agent contractuel”? Manoloana ny fitantanan-draharaham-panjakana dia sehatr'asa manana endrika fifanekena no misy ny mpiasam-panjakana tsy tena raikitra. Voarakitra ao anatin`ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana tsy tena raikitra fa voafatotry ny fifanekena ao anatin'ny fotoana voafetra voaantso hanantanteraka asa any amin'ny Fitantanan-draharaham-panjakana sy ny toeram-piasana miankina amin'ny Fanjakana izy ireo. Miisa dimy ireo karazana mpiasam-panjakana tsy tena raikitra miasa any amin'ny ministera sy andrim-panjakana ary toeram-piasana miankina amin'ny Fanjakana mbamin'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana: Mpiasa nantsoina hanatanteraka ny asa natokana ho an'ny mpiasam-panjakana (EFA) ; Mpiasa nantsoina hanatanteraka asa voalaza fa maharitra (ELD) ;  Mpiasa nantsoina hanatanteraka asa voalaza fa tsy maharitra (ECD) ;  Ny manafo (EMO) ;  Mpiasa nantsoina hanatanteraka asa manokana (ES). Raha misy olona tafiditra ho ECD dia mijanona ho ECD foana izy. Tsy manan-tsafidy izy fa izay asa misy eo no ataony na inona na inona fari-pahaizany ary ny karamany dia kely satria ny sorabola enti-miasa no tsinjaraina amin’ny ECD rehetra ary ny isan’izy ireo dia tsy mitsaha-mitombo. Izy ireo miadidy ny fampandehanana ny sampandraharaha iray ary tompon'andraikitra eo anatrehan'ireo lehibeny amin'ny fahefana nomena azy amin'izany sy ny fanantanterahana ny baiko nomeny. Tsara manamarika fa 60% ny tetibolam-panajakana dia natokana ho fandoavana karaman` ny mpiasa ary ahitana azy ireo avokoa ny sehatra rehetra. Tsy ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ve no tokony imasoana toy ny fitantanana madio amin` ireny fanomezana tsena-barom-panjakana ireny, ny fampidiran-ketra, ny fampihenana ny famoaham-bolam-panajakana… Voavaha ve ny olana amin` ireo mpiasam-panjakana “matoatoa”? Saika mpiasam-panjakana tsy izy na “matoatoa” avokoa ny 40 000 amin`ireo 160 000 misy eto Madagasikara raha ny tatitra tamin` ny 2016. Na izy ireny olona efa maty, na tsy miasa amin` ny sampan-draharaham-panjakana nefa mandray karama. Ho fanadiovana ny asam-panjakana sy tafiditra ao anatin` ny politikam-pitsitsiana izay napetraky ny fitondrana izany fanapahan-kevitra izany saingy voaporofo aloha fa sahirana ara-bola ny fanjakana ka hahitsana izay azo hahitsana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT