Fanesoana ny fahantram-bahoaka

Tonga ny « bus électrique » hanaovana seho ivelany…


  • Zoma 20 Jona 2025

Efa tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo « Bus Electriques »,

ary hotaterina miakatra eto Antananarivo ireto fitaovana ireto, raha ny seraseram-panjakana. Nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly, fa hampiasaina amin’ny fetim-pirenena. Ny fanafarana « bus électrique » izay nolazaina ihany koa fa hanehoana amin’izao tontolo izao fa miaro ny tontolo iainana. Maneho sy manamafy ny sehoseho ivelany sy ny politikan’ny te ho deraina kanefa tsy mamokatra. Moa tsy toy izany ihany koa no tanjona amin’ny teleferika izay trosa mihantona hatreto. Ireharehana fa hisy fitaterana maimaimpoana amin’ny bus électrique an'ireo vahoaka mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena : afomanga sy jet d'eau ary show drones eny amin'ny Lac Iarivo ny 25 jona 2025. Miainga eo amin'ny Parc Tsarasaotra ka hatrany Ivato ireo « bus électrique » ireo. Tena izany ve no maika sy nandaniana vola tsy toko tsy forohana manoloana ny fahatram-bahoaka mandifotr’olona, ny vidim-piainana,… Milaza fa hanome fiaramanidina 2 ho an’ny tafika ihany koa, saingy ny teo aloha aza tsy hita izay mangarahara sy niafaran’ilay fiaramanidina Casa. Ireharehana fatratra ny fikarakarana ny fanomanana fety, izay fanesoana ny Malagasy ankitsirano izay dobo ao anaty fahasahiranana. Dia efa mandeha ihany koa ny serasera amin’ny fanomanana ny Fivoriamben’ny SADC, tonga ny ampahana fiara 5 avy amin’ny Japonais mitentina 2,3 miliara Ar izay tsy fantatra hoe : inona no mety ho tambiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT