Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 15 mey 2019 teny amin’ny foiben’ny CNaPS Ampefiloha ny fanokafana ny fanentanana lehibe hivoizana ny « Asa mendrika ho an’ny rehetra sy fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ».
Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 03 mey lasa teo moa ny tsy maintsy hampidirana ny mpiasa ara-dalàna hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Tafatsangana ny komity na « comité ad hoc » iraisan’ny eo anivon’ny CNaPS, ny minisiteran’ny Asa sy ny lalàna sosialy miaraka amin’ny fitantanana ankapobeny ny asa mba hamolavola sy handrindra ny fanentanana ny fampidiran’ny mpampiasa ireo mpiasa mba hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny CNaPS satria zon’ny mpiasa rahateo izany. Miisa 10 no mandrafitra azy io, ka miainga avy amin’izy ireo ny toromarika haparitaka amin’ny rantsa-mangaika samihafa ao anatin’izay politikan’ny fiahiana ara-tsosialy izay. Andao hiara-kientana hametraka ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny rehetra », hoy ny Tale jeneralin’ny asam-panjakana Razafimanantsoa Jerison. Mahakasika io fiahiana ara-tsosialy io, dia misy ny latsakemboka aloa any amin’ny CNaPS, ka ny 1% no anjaran’ny mpiasa ary ny 13% amin’ny karama kosa no anjaran’ny mpampiasa amin’izany. Aorian’ny fanentanana, dia tokony ho efa hanatanteraka ny adidiny ny mpampiasa satria mihatra ny didy aman-dalàna aorian’izay. 650 000 eo ho eo ny orinasa eto Madagasikara, ka ny 43 000 ihany no mpikambana ao amin’ny CNaPS ary zara raha misy 16 000 amin’ireo no mandoa latsakemboka ara-dalàna. 93% amin’ny asa eto Madagasikara no mbola sokajiana ao anatin’ny sehatra tsy manara-dalàna, ka tafiditra ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna ny tsy fanaovana fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa. Mikasika ny asa tena toy ny fambolena, ny fiompiana, jono,… dia efa nisy dingana vita momba ny fiahiana ara-tsosialy ary mbola tohizana satria tokony hisitraka azy io ny rehetra, hoy ny eo anivon’ny CNaPS tarihin’ny Tale jeneraly mpisolo toerana vonjimaika Joslina Tsaboto. Ny sehatry ny fitaterana kosa, dia ho avy ny dinika samihafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.