Sosialy

Fanenana karama farany ambany ho 238.000 Ariary


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Ireo nitazona 250.000 Ariary indray no voasazy»

Izahay Randrana sendikaly moa dia mampita amin’ny mpiasa rehetra hoe raiso aloha ny karama farany ambany 238.000 Ariary, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendikan’ny mpiasa ity, Barson Rakotomanga. Hanao fitakiana amin’izay isika avy eo, hoy izy. Misy orinasa tsara sitrapo. Tsy mba nanena ilay 250.000 Ariary. Ireny indray izany izao no lasa voasazy. Lasa ihany amin’ny mpiasa indray izany tsinona izy haka an’ilay mihoatra 12.000 Ariary. Ho entin’ny fanjakana aiza ity tontolon’ny asa eto Madagasikara ity? Izahay moa dia manentana ny mpiasa hifanaraka amin’ny mpampiasa hoe aleo tsy misy mamerim-bola izany. Fantatsika tsara ny andininy 209 anaty fehezan-dalàna mifehy ny asa. Nasongadina tsara tanaty filankevitry ny minisitra fa 250.000 Ariary ny karama farany ambany na tanaty didim-panjakana io na didim-pitondrana. Nolazaina fa nisy fihaonana tamin’ny sehatra tsy miankina indray ny 24 aprily. Nampahatsiahy moa izahay hoe nahoana no sady tsy nisy mpiasa no tsy nisy minisiteran’ny asa nanatrika an’izany? Ny filoham-pirenena ihany ve izany no mitantana ity tontolon’ny asa ity? Raha io tatitry ny filankevitry ny minisitra io izany dia mbola mibaribary fa mbola tsy nanontaniana mihitsy ny minisitry ny asa. Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny fanaovana fanadiovana faobe saingy tsy nisy didy fampiharana ka hahasahy hanao izany ve ny minisitry ny asa amin’izao? Mampieritreritra ihany izany. Manana mpikambana miisa 800.000 ny CNaPs. Aty amin’ny sehatra tsy miankina izany ary mety ilainareo ihany amin’izao akaiky fifidianana izao. Sarotra anefa ny hino fa mbola hanaiky hifidy anao izy nefa ny karamany aza ahenanao, hoy hatrany ny Randrana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT