Sosialy

Fanefana ny vidin’ireo trano mora Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny banky


  • Talata 22 Aogositra 2023

Nifanao sonia momba ny fanamorana ny fampindramam-bola eny amin'ny banky ho an'ny olona efa voasarika sy mbola ho voasarika ka hisitraka ny tetikasa

Trano Mora ny Fanjakana Malagasy tamin'ny alalan'ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) sy ny Banky Malagasy ny Oseana Indiana ( BMOI) omaly 21 aogositra. Varotra-fanofana na " vente location" moa no nitondran’ny Fanjakana ity tetikasa ity, ka mety ho 15-18 taona ny fanefana ny vidin'ny trano arakaraky ny filàn'ny mpanjifa sy ny hifanarahany amin'ny banky. Afaka manantona an’io banky io ireo mbola tsy manana tahiry ao aminy. Natao izao hanamorana ny fananterahana ny varotra-fanofana hoy ny SENVH, Gérard Andriamanohisoa. Ny zava-misy dia vitsy ny malagasy afaka manefa ilay vidin'ny tranony anatin'ny 3 taona, ka mila fampindramam-bola ny ankamaroan'ny olona araka izany, hoy ny fanazavana. Teo koa ny olana tamin'ny fahafahana manana tany izay efa nahitaham-bahaolana amin'ny tahirin-tany ataotsika. Anisan'ny lalana misakana koa ny tahan’ny zana-bola takian'ny banky. Mety amin'izany ny BMOI amin'izao, raha ny fanazavana ka 10 hatramin'ny 75 isan-jato araka ny filàn'ny olona izany. Misoratra amin'ny mpisitraka ny trano avy hatrany ny olona noho ny fiaraha-miasa amin'ny « notaire ». Tsy misy ny fanaovanay "hypothèque" ny trano, hoy io banky io. Andraikitry ny minisitera irery ihany ny manao ny fisarihana ny olona hahazo trano mora. Izy no mandefa ny lisitra eny amin'my banky. Voalaza moa fa manana trano mora miisa 320 manodidina ny 40.000.000 ar ny Fanjakana amin’izao ao Imerintsiatosika. Misy koa ny trano mora eny Ivato izay iarahana amin'ny ANALOGH ary mitentina 120.000.000ar. Ankoatra izay, eo koa ny tany voajary vita titra omen'ny fanjakana, ary ny trano nenti-paharazana nohatsaraina miisa 850 izay homena maimaimpoana ny olona any amin’ny morontsirakana ianjadian'ny loza voajanahary matetika.
Nangonin’I Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT