Sosialy

Fanefana ny faktioran-jiro Hiara-kiasa ny JIRAMA sy ny banky BOA


  • Alarobia 10 Jona 2020

Mba hanatsaràna hatrany ny tolotra omeny mpanjifany amin’ny alalan’ny fanitarana sy fanamoràna ny fisitrahan’ny mpanjifa ny tolotra omen’ny JIRAMA dia nisy omaly ny fifanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta izay manolotra sehatra dimy vaovao hahafahana manefa faktiora na tombam-bidy

 

 

 

 

/saran’ny asa hotanterahina na famerenana jiro/rano amin’alalan’ireto karazana tolotra maro samihafa. Anisan’ireny ny Guichet Automatique de Banque (GAB) ho an’ny mpanjifan’ny BOA ; ny terminal de Paiement Electronique (TPE) ho an’ny mpanjifan’ny BOA na tsia, amin’ny alalan’ny carte VISA ; ny BOAWeb, amin’ny aterineto, ho an’ny mpanjifan’ny BOA ; ny MyBOA, amin’ny alalan’ny finday ho an’ny mpanjifa BOA ; ny masoivohon’ny Bank of africa ho an’ny mpanjifan’ny BOA na tsia. Maro ny tombontsoan’ny mpanjifa amin’ny fampiasana ireo tolotra ireo izay tsy mandany fotoana, fandoavam-bola tsotra sady maro azo isafidianana. Hahazo fanamarinam-pandoavam-bola ny mpanjifa ary voarain’ny rafitry ny JIRAMA ara-potoana ny vaovao mikasika izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT