Sosialy

Fandrodanana tsena ataon’ny CUA Melohin’ireo mpanolontsain’ny tanàna


  • Alarobia 10 Jona 2020

Manoloana ny fandrodanana trano tsy ara-drariny ataon'ny CUA tarihin'ny ben'ny tanana Naina Andriatsitohaina, dia mijoro manohitra izany ny fikambanan'ireo mpanolotsaina ny tanana tsy manavaka antoko politika,

 

 

 araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly. Tsy nahazo fankatoavana tamin’ny mpanolontsaina ny soso-kevitra, tsy lany fa voatsipaka tao amin’ny Filankevitra Monisipaly ny volana mey io, hoy Rtoa Clémence Raharinirina. Ao anatin’ny hamehana isika izao. Tsy misy tsy mikaikaika hoe very asa sy sahirana. Ho anay mpanolontsaina maro an’isa dia miteny izahay fa fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny hevitry ny mpanolontsaina izao ataon’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina izao, hoy izy ireo.

 

Velon-taraina ny mpivarotra satria roa andro monja no nitenenana azy ireo hiala, ary fitaovana goavana no nentina nampiseho hery nandrodanana izany. Tenin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina nentina nakana ny fon’ny mpifidy fony izy kandida ny hoe: “ampy izay ny tsindrihazolena atao amin’ny mpivarotra”, saingy io niova io ny fihetsiny miaraka amin’ireo ekipany. Tsy an-kitsitsy, tsy misy indra-fo, fa tonga dia fandradonana avy hatrany, na nisy tamin’ireo mpivarotra aza latsa-dranomaso. Ekena fa fampanarahan-dalàna no atao, saingy mba mila jerena ihany ny mahaolona. Isan’ny noresahina na tamin’ny propagandy na taorian’ny fahalaniana ny hananganana fotodrafitrasa hasiana ireo mpivarotra, saingy tsy mbola misy izany fa ny fandrodanana sy fandroahana no lasa aloha. Famelomana sy fijerena ny sosialim-bahoaka tokoa ve no atao sa fampitomboana ny tsy an’asa. Tena amin’izao vanim-potoana iaianan’ny firenena izao ve no tokony handraisana fanapahan-kevitra mamotika fiainan’olona? Ilaina ny fandaminana sy fampanaraha-dalàna, saingy tokony jerena ihany koa ny mahaolona izay mila fitsinjovana na “mésure d’accompagnement” fa tsy amboletra fotsiny.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT