Sosialy

Fandrindrana ny fizarana fampiana Nirotsaka an-tsehatra avokoa ny mpiasan’ireo ministera


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Niova taranja kely ireo mpiasa eny anivon’ny minisitera samihafa nanomboka tamin’ny faha- 07 aogositra 2020 lasa teo ka ho fiaraha-miasa sy fiaraha-mientan'ireo Minisitera manampy ny ny Governora,

 sy ny Solombavambahoaka, ary ny Ben'ny tanàna mba hampirindra tsara ny fandrindrana ny fizarana « vatsy tsinjo sy tosika fameno» izay fandaharan'asan'ny fitondram-panjakana ka nanaovana ny fanisàna (recensement) vaovao an'ireo olona izay tokony hisitraka ny fanampiana na ny " sosialim-bahoaka " izay omen'ny Filoham-pirenena. Fokontany 8 ( Antanjombe ambony, Ambohimiadana sud, Ambodivnkely, Ankazomanga sud, Anosivavaka, Ambohimiadana nord, Andraharo, Betafo) avy ao amin'ny Boriboritany faha-enina no anjaran'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Nitety ireo tokantrano voafaritra ao amin’ity boriborintany ity izyireo ka nanatanteraka ny fanisana niaraka tamin'ny sefo fokontany sy ny komity ao aminy. Tanjona ny hananana antontan'isa marina sy mitombina mahakasika ireo olona sokajiana ho marefo sy sahirana ary very asa araky ny baiko nomen'ny Filoham-pirenena noho ny fisian'ny valan'aretina Covid-19 eto Madagasikara.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT