Fandrindrana fiainam-pianakaviana

Ho fehezina ny fitombon’ny mponina eto Madagasikara


  • Talata 16 Jolay 2024

Ho fehezina ny fitombon’ny mponina eto Madagasikara ka amin’ny alalan’ny fanapariahana

fomba fandrindrana fiaina-pianakaviana maimaimpoana mba hiadiana amin’ny vesatry ny ankohonana mahatonga fahantrana no hahafahana mametra izany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Any anaty bokim-pianakaviana any, ny tso-drano dia hoe «Miteraha fito lahy, fito vavy!», hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Toy ny milaza, hoy izy, hoe mandehana mbola ampidirina ao anatin'ny fahantrana izany ny firenena. Mba te hanova aho hoe «Miteraha iray lahy, iray vavy!» mba hahafahantsika mamelona, manabe, mampianatra ary mampandroso ity firenena ity, hoy hatrany ny sombin'ny kabarin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritry ny fihaonambe nasionaly ho fampiroboroboana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ny faran’ny herinandro teo. Tetsy ankilany dia efa samy nanitsy ny fomba fiheveran’ny olona ity fomba fiteny ity avokoa ireo mpandala, mpandalina ary mpikaroka sy mpampianatra mpikaroka mihitsy momba izany atao hoe kolontsaina sy fomba malagasy izany. Isan’ny fanazavana nentin’ny mpahailiteratiora sady mpikabary sy mpandalina fomba, Aina Miolampandry, ohatra, fa ny isa tsirairay dia samy manana ny hevitra fonosiny avy ho an'ny malagasy, na ara-piarahamonina io na araka ny kolontsaina na ny ara-panahy. Impito mandifotra olona, hadivory fito sosona, aizim-pito, hanim-pito loha, randrana fito an'ila ho an'ny vehivavy ampiakarina ho vady, mihodidina impito ny trano vao miditra rehefa aterina any amin'ny tokantrano vao, fito lahy, fito vavy, hoy izy. Araka ny fanazavan’ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse», Dr Bernardin Rabarijaonina, kosa dia fitambaran’ny teny hoe Fy sy To, izany hoe, mba ho ankafizina sy ho mpankato, no tena hevi-dehibe fonosin’ilay hoe «Fito lahy, fito vavy». Tsodrano mifono firariantsoa lalina, noho izany, hoy izy, izany hoe «miteraha fito lahy, fito vavy!» izany fa tsy natao ho tanterahina ara-bakiteny akory. Fifehezana ny fitombon’ny mponina tokoa ve no tena kasaina eto amin’ity firenena ity sa fanimbana kolontsaina sy ny tantara toy ny fanovana ny anaran’ny rovan’Antananarivo ho rovan’i Madagasikara?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT