FANDRINDRAM-PIAINAM-PIANAKAVIANA

Tokony hanaovana angaredona hoy ny FITRAMA


  • Talata 16 Jolay 2024

Tokony hanaovana angaredona ny fanaparitahana sy ny famporisihina ny vehivavy mba

hampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana eny anivon’ny fiaraha-monina eny hoy ny filoha tale jeneralin’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ho an’ny Fokontany Anosizato Est I izay tantanany ohatra dia nambarany fa efa mahatratra 25.000 isa ny mponina amina velarantany 0,67 ha izay tantanany. Misy amin’ireo vehivavy hoy izy no miteraka hatramin’ny 9 isa. Ankoatra ity tranga farany dia maro amin’ireo tanora mpianatra no miditra amin’ny firaisana aloha loatra ka tsy afaka manohy fianarana intsony izay miteraka fahasahiranana sy fahapotehan’ny fiaraha-monina mihitsy. Ho an’ny FITRAMA manokana dia nomarihiny fa miara-miasa amin’ny CSB II izy ireny amin’ny fanampiana ny vehivavy mba hampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana. Tsy handoavam-bola izany hoy izy fa maimaim-poana ary mety amin’ny fahasalaman’ny vehivavy rehetra. Nohantitranterin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa tsara hapetraka ny politikam-panjakana tena manakaiky vahoaka marina momba ny resaka fandrindram-piainam-pianakaviana fa tsy hajanona eo ambony latabatra fotsiny.
Pati
Legende : Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha tale jeneralin’ny mpitsabo Malagasy FITRAMA !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT