Sosialy

Fandrindram-piainam-pianakaviana Hahatratra ny 60%-n’ny vehivavy no tanjona amin’ny 2023


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Mbola vao ny 40%-n’ny vehivavy Malagasy hatreto no fantatra fa mampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana.

Ankoatra ny tsindrona dia tsy vitsy ireo mampiasa ny pilina sy ilay fitaovana kely hasisika any anaty hoditra. Mbola tsy ampy anefa io taha io amin’ny ankapobeny. Fomba iray hahafahana manatsara ny toekarem-pirenena mantsy ny fampiasana ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana ho an’ny vehivavy izay miainga amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano. Mba hahafahana manatratra ilay tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana ary dia misy ny fampitam-baovao sy fifanakalozan-kevitra tanterahin’ireo tompon’andraikitra isam-paritra. Tanjona hatramin’ny taona 2023 ny hampiasain’ny 60% -n’ny vehivavy malagasy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana maoderina. 15 taona moa no zandriny indrindra amin’ireo vehivavy mampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana raha 50 taona no zokiny indrindra.
Nangonin’i Pati
Legende : Samy naneho ny heviny avokoa ny isam-paritra teto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT